Diso lalana (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
diso aho diso làlana ka iantrao
aoka re! mba hitsotra ho ahy ny sandrinao
aza lavinaovinao fa rereka sy trotraka
noho ny ditra izay natao
ka mifona mivalo raha azo atao
mangataka ilay famindramponao
tenoero'zany hatezeranao
fa very aho raha toa tsy avelanao
diso aho diso làlana ka hody Aminao
Jesoa raiso ho ankohonanao

Tompo ô! nanenenako' zay vita izay
amin' izao sisa izao aho dia hanompo indray
ka honerako tokoa Jesoa
ny lasa izay nanifihako Anao
fantatro fa tsy misy famonjena
ankoatr' izay nanoloranao tena
k'izany no hiantsapazako Aminao
fa very aho raha lavitra Anao
diso aho diso làlana hatrizay
Jesoa malala ô! ka mba tano ho Anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GALAF
Hits : 190
Likes : 1 Like
Created by : MICHAEL.XSQ
Date : 27/10/2025 05:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1914