You are here: home > Tononkira > GALAF

Anjara Tandrify (GALAF)

https://tononkira.serasera.org/hira/galaf/anjara-tandrify

1- Tsy hitomany aho, tsy hitomany aho Jesoa
Na dia tojo fisedrana mahamay
Hozakaiko, hozakaiko Jesoa
Izay tendry tianao hasalotra ahy
Tsy hisento aho, tsy hisento aho Jesoa
Fa Ianao no mampahery tokoa.

REF : Dia ekeko ho tandrify ahy ry Ray
Izay anjara voahomanao ho ahy
Ny ato am-poko dia tsotra ihany
Ampy ho ahy izay rehetra omenao.

2-Tsy ho kivy aho, tononkira.serasera.orgtsy hokivy aho Jesoa
Raha tsy ahazo izay takiako Aminao
Fa Ianao, Fa Ianao Jesoa
No mahalala izay sahaza ho ahy
Tsy alahelo aho,tsy alahelo aho Jesoa
Fa miandrandra 'lay maraim-baovao.

3-Dia hitsiky aho,dia hitsiky aho Jesoa
Rehefa injay fa miposaka ho ahy
'Lay masoandro, 'lay masoandro Jesoa
Manazava ny fiainako ety
Dia hifaly aho, dia hifaly aho Jesoa
Fa nahazo fitahin-dehibe.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : GALAF
Mpamaky : 308
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Fanaja Mandranto
Tamin'ny : 06/02/2020 06:43:24
ID : 12544

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo