TSY MISY ASOLOKO ANAO (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1_Na dia ho tambazana aza aho (ou.....a)
Tsy misy asoloko Anao (ou.....a)
Ho tanako hatrany Ianao ry Jesoa (Ianao)
N'aiza n'aiza (Jesoa)no hisy ahy
(Tsy hisy intsony hampanahy)
Satria Ianao mahita sy mitahy
2_Na zovy na zovy hisoloky (ou....a)
Ianao ry Jesoa no efa toky (ou....a)
Hiaro ahy tsy ho voarebireby(Ianao)
Mba tsy ho very(Jesoa) tsy hikoa
(Dia tsy hirodana tokoa)
Ilay voady taminao Jesoa

_ts'isy hampiova ahy, ts'isy hampihemotr'ahy
Tsisy hampisaraka ahy , na ny rendrarendra re !
Eny na dia harem-be , ts' isy asoloko Anao
Na ny fankatoavane!, ireo sampy lehibe
Ts'isy asoloko Anao ,tsy hiala Aminao aho
Ry Jesoa tia, fa ho Anao mandrakizay Doria.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GALAF
Vangy : 149
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MICHAEL.XSQ
Daty : 23/12/2023 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764