HANANDRATRA ANAO (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hanandratra Anao aho Tompo ô
Sy hankalaza ny Anaranao
Na mafy aza ny adiko ety
Tsy mba ho kivy aho
Fa eo Ianao lay mpamonjiko
Mampahery sy miaro ahy
Manoro sy mananatra koa
Ka manome ny soa
Tsy mba miova e! Tsy mba mandao
Fa eo anilako foana Ianao
Ka na ny mora na sarotra
Tokiko hatrany Ianao
Tsy misy ataoko ho rehareha
Afa tsy ny fiderana Anao
Ka na mitoetra aho na mandeha
Dia hanandratra Anao
Tsy misy hitokiako afa tsy Ianao ihany
Izao rehetr'izao samy mandalo avokoa
Mitoera ato am-poko mba hiderako Anao
Tanako tsy soloiko Ianao mandrakizay
Hanandratra Anao aho Tompo ô
Satriko fona e! hidera Anao
Hitory hatrany ny Anaranao
Sy ny fitiavanao
Ka ny andro rehetr'omenao ahy
Atokako hanompoana Anao
Hanaovako izay sitrakao
Ho mendrika aho ho anao
Sambatra aho tena sambatra
Manana anjara ao Aminao
Feno hafaliana henika soa
Ny eo anilanao
Tazony mafy aho hifikitra
Ka tsy hiala an-tratranao
Fa maro anie ireo mpanenjika
Mitady haningotra ahy
Tsy misy hitokiako.....
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/galaf/hanandratra-anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GALAF
Vangy : 124
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MICHAEL.XSQ
Daty : 04/12/2022 16:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1466