Antso (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-Indro misy feo mandona feo miantso izao
Ny mpanota no antsoina mba hibebak'izao
Misy fetra ny fotoana 'zay omena anao
Dieny mbola miantso Izy mamalia izao.

Jeso Tompo 'lay Mahery te hitoetra anatinao
'lay Mpamonjy ondry very mbola tia ka miantso indray
Mba todiho ka valio f'aza miery ianao
Sao anio sisa antso ho renesinao.

-Ry sakaiza ô! mandiniha e! fa mandalo ety
'zao rehetra hita izao tsy haharitra doria
Mora miova mety simba ho lavenona
Tsy ampy hahavonjy anao fa miverena ianao.

Jeso Tompo miantso foana tsy mba mety ho sasatra
Dieny misy ny fotoana atolory anio ny fonao
Omeo azy manontolo mba honenany
Fa harena famonjena no atolony.

Jeso Tompo tsy miov'omaly anio rahatrizay
Ary tsy mba mahafoy fa tia anao mandrakizay
Ny rehetra no antsoiny hanatona izao
Mba handova fitahiana .paradisa vao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GALAF
Vangy : 313
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MICHAEL.XSQ
Daty : 03/08/2023 19:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1424