TAHIO NY TANINAY (Do) (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tompo ô! Tahio ny taninay
Fa mijaly sy mahantra ny tontolo
Ka ny nosindrazanay ity ry Ray mba jereo
Tompo ô! Tahio ny taninay

2) Tompo ô ! Jereo ny nosinay
Fa mandalo mifanesy ny fahotana
Ka mba tantano sy vimbino ry mpanonjy be fitia
Tompo ô ! Tahio ny nosinay

3) Ray ô! Ireo mpitondra anay
Omeo saina sy fanahy fo vaovao
Ka mba andinika ny nosy ho reharehan-tany maro
Ray malala ô! Tahio ny nosinay

Ref: Ireo harena sarobidy, izay nanananay taloha
Nosimbaina nopotehina tamin'ny hery ratsy koa
Nefa nosy manirery voadidin-drano be
Ny voahary manontolo malahelo misento koa
Ka mifona mitalaho aminao ry Ray tsitoha
Tompo ô ! Tahio ny taninay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 194
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiannie27
Daty : 24/05/2023 19:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717