IANAO (Feon'ny fiderana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maty ianao,nisolo voina anayTsy navelanao ho verin'ny fahotana izahay
Maty ianao ho fananganana anay
Tao anatin'ny aizimpito no nakarinao izahay
Ianao ilay fahazavana,Ianao ilay famelana manala ny fangejana
Ianao ilay mpampahery,Ianao ilay tsy mijery izay mety ho ditranay
Ref: Noho 'lay ranao latsaka iny,dia niova ny fiainanay
Noho ilay fijalianao iny,dia afaka izahay
Efa vita ny famonjena,azonay ny fandresena
Efa lasa ny taloha,indro efa olombaovao aho
Maty Ianao,ho fanasitranana anay
Tsy navelanao ho fatin'ny aretina izahay
Maty Ianao,ho fampihavanana
Izahay ilay niala t@ RAY dia naverinao indray
Ianao ilay Ray Tsitoha,Ianao Mpamindra fo Ianao ilay Mpanome soa
Ianao ilay be fiantrana,mpanao fahagagana sy izay mety ho Fahatsarana
A/C: Carini,Tina(10/03/23)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Feon'ny fideranaHits : 258
Likes : 0 Like
Created by : Tiannie27
Date : 23/05/2023 10:53