Antson'ny Tompo (FANANTENANA ANTSA-FI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antson'ny TompoNy antson'nyTompo ao am-poko dia tsy hidifiako
Na inona zavatra tiako sy hankamamiako
Ny ratsy izay notompoiko, Ilaozako sady hafoiko
Satria 'lay Mpamonjy tia no miantso hoe: "Avia"
Izay mikasa hamilivily ho very fotoana
Izay manohitohitra ny antso dia aim-bery foana
Satria efa momba hatrany,'lay tompon'ny hery tsy lany
1/ Mitàna ny toky nomeny sy efanekeny
2/ Atolotro Azy anio Ny foko madio
3/ Hosetrin'izany antso izany inty aho fa tamy (x4)
Sambatra re'zay mandré zany feo sarobidy
Sambatra koa izay manoa ka mamita mamita ny adidy
Fa roso hatrany ny dia ny hihemotra dia sanatria
Jeso efa eo aloanao Miantso mitaona ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : FANANTENANA ANTSA-FIHits : 308
Likes : 1 Like
Created by : Touknambs
Date : 11/01/2025 10:31
