Ny famonjenao (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY FAMONJENAO
Tsy azonao vinavinaina
Ny fitahian'Andriamanitra
Amy fotoana tsy ampoizina
No anehony ny voninahiny,
Satria zandry tiany
Ianao sy izaho
Ka tolorany fitiavana

Tsy azonao vinavinaina
Ny fetran'ilay tena fitiavana
Zava-boahary tiany koloina
Ka anehoany ny voninahiny
Tiany ho tody soa
Ianao sy izaho
Sy 'reo zay mino Azy

(Ianao efa kivy iny)
Indro ny tananao Jesosy
Mamihina sy manafatra
"Efa inty aho,efa inty aho,
Ataovy miredareda ny fonao"

Ref:
Tsy voafehin'ny ora sy fotoana
Ny famonjenao Jesosy
Rehefa voasoratra aho
Hahazo famonjena
Indro ianao manafaka ahy
Avy hatrany

(Izahay efa rerak'iny,)
Toloranao sakafo
(Izahay tany am-ponja iny,)
Novanginao tokoa,
Mamihina sy manafatra:
"Efa inty aho, zandry tiako,
Velomy re ny finoanao"

Ref:
Tsy voafehin'ny ora sy fotoana
Ny famonjenao Jesosy
Rehefa voasoratra aho
Hahazo famonjena
Indro ianao manafaka ahy
Avy hatrany

Tsy voafehin'ny ora sy fotoana
Ny famonjenao Jesosy
Rehefa voasoratra aho
Hahazo famonjena
Indro ianao manafaka ahy
Avy hatrany ...
Ou ou ou ou ou ou ou ouh ou ou ou ou ...
Indro ianao manafaka ahy
Avy hatrany


Tonony sy feony : Clément RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FI
Vangy : 920
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 31/12/2024 06:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0138