Tsisy fetra (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSISY FETRA

1/
Na hatsiaka mamirifiry niseho,
Na hain'andro mampijaly ...
Na orana, na rivotra nifofo
Tazako ny voninahitrao !

Ny zava-maniry,
Ny biby aman'ahitra,
Asanao avokoa,
Toloranao anay.

Ref :
Inona no atolotro Anao (JESOSY)?
Ho fifaliako miaraka Aminao...
Ho fiombonam-pifaliana
Hay ve fitiavana Ianao...
Indro entiko hanompoana Anao
Ny hira sy feo fiderana
Hay ve...TSISY FETRA
Lay famonjenao anay

Fiderana (x2) Fiderana atolory !
Fiderana (x2) Fiderana asandrato

2/
Ny fivelomana isan'andro,
Reo talenta sy fahaizana
Ny saina, fo, vatana, fanahy ...
Taratry ny fitiavanao anay !

Hoan'ireo tsy mandray Azy,
Amy lala-mahintsy,
Hentano...Hiverina
Mba ho iray vala isika

Inona no atolotro Anao (JESOSY)?
Ho fifaliako miaraka Aminao...
Ho fiombonam-pifaliana
Hay ve fitiavana Ianao...
Indro entiko hanompoana Anao
Ny hira sy feo fiderana
Hay ve...TSISY FETRA
Lay famonjenao anay

Fiderana (x2) Fiderana atolory !
Fiderana (x2) Fiderana asandrato !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FI
Vangy : 28
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 31/12/2024 07:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0796