Ndeha vahao (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NDEHA VAHAO

1/
IZY ilay nanambara hoe :
"Torio eran'ny vazan-tany
Ilay vaovao mahafaly"
Ka'reo voafatotra
sy tra-pahoriana
noho i satana
"Ndeha vahao re
hahazo fahazavana"

Maro anie ny manompo Tompo roa,
Andriamanitra sy ny vola
...Reo hafa koa mihary harena
tsy haharitra na oviana
Na oviana... "Ndeha vahao re,
Mba tsy hisy nenina"

Avia tantano aho
Diovy reny foko
Mba hananako hery
Itoriako ny Hafatrao

Refrain :
Jesosy anie, tia anao tokoa
Tiany ianao handova paradisa
Dieny ety an-tany,
Voasoratra amy boky
Ilay bokin'ny fiainana ianao

Jesosy anie, tia anao tokoa
(tiany tsy ho very ianao)
Tiany ianao handova paradisa
Dieny ety an-tany, (ndeha vahao re)
Voasoratra amy boky (tsy hisy nenina ianao)
Ilay bokin'ny fiainana ianao (tsy hisy nenina ianao ouh..)

2/
'Lay Fanahy mpankahery izao
No ato anatinay manoro làlana
...ho any Aminao
Fanahy Masina ô!
Midina hankahery ty zandrinao
Fa maminay ny hitoeranao.

Refrain :
Jesosy anie, tia anao tokoa
Tiany ianao handova paradisa
Dieny ety an-tany,
Voasoratra amy boky
Ilay bokin'ny fiainana ianao

Jesosy anie, tia anao tokoa
(tiany tsy ho very ianao)
Tiany ianao handova paradisa
Dieny ety an-tany, (ndeha vahao re)
Voasoratra amy boky (tsy hisy nenina ianao)
Ilay bokin'ny fiainana ianao (tsy hisy nenina ianao ouh...

(Ndeha vahao, ndeha vahao ny fatoran'i satana; fa efa nijalianany vahoakan'Andriamanitra)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FI
Vangy : 23
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 31/12/2024 07:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0773