Tsy misy miala (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa mahaketraka ahy,
mampivadim_po,mampatahotra ka mafy ny manjo.
Toa tsapa ho izay tokoa,raha indro aho niova fo,
nailika nalaim_panahy, nisy nandrahona.
Tsy miova anefa ny heriNAO na masiaka aza izao tontolo izao,
mikasa handrombaka ahy na hanangoly koa.

Nefa tsisy miala Aminao Andriamanitra o,
mahery Ianao tsy toha ihany koa.
Izao rehetra ary izao,
eo am_pelatanaNAO, voafehiNAO, teneniNAO,
tsy ahakasika ahy satria tia ahy Ianao.

Toa manavesatra ahy,
mamizana tokoa ny hazofijaliana izay anjarako,
tsy maintsy lanjaina na inona hanjo na latsa io na kapoka iaretana
avokoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsafi
Hits : 1083
Likes : 0 Like
Created by : tatchy
Date : 30/10/2015 09:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026