Hanandratra (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao Jesoa no hasandratra e.
Ny dera sy ny voninahitra e.
Ho Anao ilay mpanjakanay, ho mandrakizay.

Ka ny vavanay dia tsy hitsahatra hisokatra.
Na dia maro aza ireo mpanatsatso, mpanohitra.
Ny amin'ilay finoana aty anatinay tsy hafenina.
Fa haseo ho asa ka tsy maintsy tenenina

Ref: (Sasa-poana e!) Fingana sy sakatsakana e
(Sasa-poana e!) Ny totohondry sy ny dakany e
(Sasa-poana e!) Ny anay tongotra efa mby andakana e
(Sasa-poana e!) Fa ny Tompo ny anay no mitatana e

Ao anatinay dia tsy mety tony ny hafanana.
Manaitra anay tsy hatoritory ny hazavana.
Ny fahalehibeazanao no ambara ambany lanitra.
Hiderana hatrany ny fahatsaran'Andriamanitra.

Ref:.............
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 295
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LouvRkt
Daty : 20/03/2023 13:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6096