Fantatr'Andriamanitra (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny alintsika, dimbiasan'ny mazava.
Tsy misy fahoriana, na sento tsy hisava.
Ny fo mitritra, mahatsiaro fa mijaly.
Ka sento tsy ho ritra, no mifamalivaly.

Dia, misarangotra mitady.
Zay mba azo isarangotana.
Mivala-ketraka mandady.
Miandrandra fanavotana.

Todiho ny Ray, ingao ny tonombavakao.
Omeo mba ho fafany, ny ranomaso sy talaho.
Ny fo tomany, miantsoantso ombieny.
Dia fantatry ny Tompo, tsy misy izay tsy reny.

Fa fantatry ny Ray daholo,
Ny hetaheta izay misandratra.
Vaninandro mifanolo.
Indray nataony hahasambatra.

Impiry impiry moa.
No tojo fanjombonana.
Kanefa tsy nafoin'ny Ray, tafiany fiononana.
Hanao ahoana moa, raha toa ny Tompo no mandao.
Moa hisy hiangana tety.
Izao rehetra hita izao.

Fa fantatry ny Ray...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Hits : 667
Likes : 0 Like
Created by : Ruthkwl
Date : 31/07/2022 07:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1054