Nandositra lavitra anao (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
nandositra lavitra anao ilay ondry mania sahisahy
ianao nefa tsy mba nandao ry Jesoa malemy Fanahy

ianao no mitady ny very, mitsinjo azy , feno ahiahy
mandinika, mamehy ny fery ry Jesoa malemy fanahy

ry ondry mania miverena
faingàna
aza mihataka lahy
ilay Tomponao no honena
ilay Jesoa malemy fanahy

nijaly sy maty ianao noho ny fitiavanao  ahy
hanolotra aim-baovao ry Jesoa malemy fanahy

na maro aza ny ondrinao dia tianao mba ho vala iray
tsy vizana miantso azy ianao
ry Jesoa malemy fanahy

ry ondry mania miverena
faingàna
aza mihataka lahy
ilay Tomponao no honena
ilay Jesoa malemy fanahy

tsy ahoanao ny làlana tery
ny akata mangina sy vahy
ianao dia mitady ny very
ry Jesoa malemy fanahy

ianao indray ity no maratra
valandotra tsy voatahitahy
miantso  ilay very ho eo an-tratra
ry Jesoa malemy fanahy

ry ondry mania miverena
faingàna
aza mihataka lahy
ilay Tomponao no honena
ilay Jesoa malemy fanahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 19
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 24/02/2026 17:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0576