matanjaha (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa mahatsiaro irery ianao indraindray
Anivon’ny onjam-piainana mahavay
Tsarovy fa ny Tompo tsy mandao
Manampy anao hiatrika ny adidinao

Matanjaha

Izay  mino sy matoky azy Ray
Mandray sy mankato ny teniny
Ny zava-drehetra miara-miasa hahasoa
Fa matanjaha sy mahereza koa

Matanjaha
Na hirodana aza izao rehetra izao
Na potraka sy lavo aza ianao
Dia lalam-piainana ihany izao
Hanitsy sy hampandresy anao
Matanjaha
Matanjaha

Mandia tora-pasika ianao
Mahita ireto dian-tongotrao
Mihevitra fa hoe nilaozany
Honjohonjo sisa manohy izany dia

Matanjaha
F’ireo anie tsy dian-tongotrao
F ’ilay nanaiky ny hibaby anao
Raha  lavo tsy tafarina iny ianao
Jesoa Kristy no nilanja anao….. toy izao

Ny ainy efa Nafoiny ho anao
Sy ho an’izao tontolo izao

Matanjaha
Na hirodana aza izao rehetra izao
Na potraka sy lavo aza ianao
Dia lalam-piainana ihany izao
Hanitsy sy hampandresy anao
Matanjaha
Matanjaha
Matanjaha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 22
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 24/02/2026 18:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0754