mandon-tratra (Vetson'ikopa antoko mpihira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
malahelo ireo zavaboarymiondrika mahita anao
fa maty tokoa ianao Kristy
ho fanavotana anay mpanota e
niezaka nampianatra ianao
sy nanoro làlana anay
kanefa dia hazo fijaliana no setriny
sarobidy loatra ny ra nalatsakao
nafoinao ka maty ianao no ho ny otanay
mandon-tratra, manenina mafy aho Jesoa ô
satria izaho dia mpanota tsy mendrika anao
ilay hafatra napetrakao Jesoa
ampanjakao ilay Fitiavana e
ka ho raisiko izany ankehitriny
ho tarigetram-piainako
hanambara ny marina aho, hitory ny evanjely
ho fanohizana ny asa efa natombokao
sarobidy loatra ny ra nalatsakao
nafoinao ka maty ianao no ho ny otanay
mandon-tratra, manenina mafy aho Jesoa ô
satria izaho dia mpanota tsy mendrika anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihiraVangy : 32
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 24/02/2026 16:25
