MPANANATRA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny foko ry Raiko misaotra AnaoFa nomenao hery vaovao (indray)
Ny ota nataoko efa navelanao
Fitiavana no natolotrao.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)
Ny fanantenako narefo hatrizay
Dia indro nitombo indray (satria)
Ny fanahinao mampahery anay
Mitarik'izany dianay.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)
Vohaiko ny foko mba hidiranao
Monena ao hatramin'izao (Hianao)
Ny saiko maloto mba diovinao
Tsy izay sitrapoko no hatao.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena AntananarivoVangy : 582
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 01/02/2020 08:41