Ny fihevitro tsy fihevitrareo (SLK 'lay Mpiantsa Soa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao 'tsika io e! hiantso ny anarany e!
tsy maintsy ho tonga eo ihany e! ilay valim-bavako e! (x2)

Manana ny hevitra hiheverana ahy Ianao
Tsy takatry ny saina ny fahalehibiazanao
Ekeko fa izay rehetra nangatahiko mbola tsy azoko ô!
Mino aho fa mbola eo Ianao hamaly ny vavako ô! (x2)

Fihevitrareo tsy mba fihevitro
tsy havelako ianao handeha irery
Tsy nikatsaka hafa tsy izay mahasoa anareo Aho

Izao 'tsika io e! hiantso ny anarany e!
tsy maintsy ho tonga eo ihany e! ilay valim-bavako e! (x4)

Manana ny lalana hitondrana ahy Ianao
Hitondra fiadanana sy ny fahazavana
Ekeko fa mety mbola ho sarotra ny làlana diaviko ô!
Mino aho fa mbola eo Ianao hamaly ny vavako ô!

Fihevitrareo tsy mba fihevitro
tsy havelako ianao handeha irery
Tsy nikatsaka hafa tsy izay mahasoa anareo Aho (x2)

Izao 'tsika io e! hiantso ny anarany e!
tsy maintsy ho tonga eo ihany e! ilay valim-bavako e! (x . . .)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK 'lay Mpiantsa Soa
Vangy : 124
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 17/10/2025 09:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0763