Nafoiny ilay lapa soa (SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. nafoiny tokoa, ilay lapa soa
mba ho fanavotana anao ry mpanota
izay latsaka an-davaka e
fa tamim-piaviana, sy fanetre-tena anie
no natongavany noho fitiavany
hamonjy anao

ref: moa mba tsapanao tokoa ve izany
sa dia avelanao handalo fotsiny ihany
izao fotoana sarobidy izay nahatongavany
mba hitondra fiainana sy fiadanana
ety an-tany

2 ny fonao mihintsy anio
no tena iriny
mba tiany hitoreana sy hivantanana
handray famonjena re
ka raha sitrakao anio, vohay mba hidrany
fizy te hitoetra tsy misy fepetra
hanjaka aminao

ref: moa mba tsapanao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0207