Derao Derao (Groupe Ny hiran'ny Fanantenana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Derao , derao ny anaran’i Jeso fa masina ny Tomponao
Ny lanitra mitory ny hatsaranao mendrika Anao ny laza soa

Asandrato ny fideranao anio , manatrik’eto ny Tomponao
Esory koa ‘reo otanao Ka hifandray Izy sy ianao

(Ka derao ) Derao , derao Ankalazao ny anaran’ilay Tsitoha
(o o o) Hobio , hobio ny anarany fa masina ny Tomponao
(Asandrato) Asandrato ny hiranao ho ren’izao tontolo izao
O! ambarao ny fitiavany fa maty ho anao ny Tomponao

Diovy koa ny tenanao ho mendrika ny fitiavany
O! tantarao , ‘zay vitany teo amin’ny fiainanao

Chouchouloulou , chachalala
Derao , derao ny anarany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Ny hiran'ny Fanantenana
Vangy : 482
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jonahrafit
Daty : 28/09/2022 16:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757