Andriamanitra toneo (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fo ontanin'ny toreo, ana sy mangirifiry
Andriamanitra o ! Toneo
Andriamanitra ! Toneo

Nikiry koa impiry impiry, niasa omaly sy misasatra
Andriamanitra o ! Ampio
Andriamanitra ! Ampio

Fa Hianao no mahalala, hanamafy ny herim-po,
hampitoetra indrafo asetriko izay mankahala
Andriamanitra o ! Toroy,
Andriamanitra ! Toroy

Tsy noho ny sendrasendra loatra, na ny foko izay mitroatra,
No itodiako Aminao,
no itodiako fa izao :

Ianao no anankinako, ny anio sy aorinako
Andriamanitra o ! Henoy
Andriamanitra ! henoy

Tsy mba hampiahotra ahy, fa fantatro Ianao tsy handà,
raha asaiko, sy antsoiko hanasitrana ny foko
Andriamanitra o ! Toneo
Andriamanitra ! Toneo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Feo Mamatonalina
Visites : 161
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : H.A.J.
Date : 22/02/2025 19:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187