Zarao ny mazava (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Njao feo mitomany manohina ny fo
Voageja mijaly mahantra tokoa
Tsisy manambara ka maizina e !
ny Filazan-tsara mba tiany ho re !

Zarao ny mazava, zarao ny mazava
zarao ny mazava mba hanjaka ety ...

Ianao 'zay nomena sy efa nandre
Nandray famonjena meteza hanome
Torio fa Jesosy dia ho azy koa
Tetezo ny Nosy handre avokoa

Jesosy mpandresy dia homba tokoa
Hanafy ny hery ka dia mijoroa
Fanahy hanazava sy hialoha anao
ka dia hampisava ny haizina ao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Feo Mamatonalina
Vangy : 117
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : H.A.J.
Daty : 11/02/2024 06:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0888