FEO MAMATONALINA (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feo mamatonalina, renao ve
Renao ve, renao ve,
Sambatra ny malina, raha mandre
Raha mandre, raha mandre

Indry tamy ny Mpampakatra (ka tsenao)
mivoaha fa hiakatra (ianao)
Andrandrao ny masonao
ka ny Tompo no derao
Hosana, hosana, hosana

O! ry reraka ao am-po, mihainoa
Mihainoa, mihainoa
Na dia mafy ny manjo, mijoroa
Mijoroa, mijoroa

Mikaela andrian-dehibe, aronao
Aronao, aronao
Amim-pahoriam-be, hatrizao
Hatrizao, hatrizao

O! Avia Maranatà, Jesoa tia
Jesoa tia, Jesoa tia
O! ry foko miandrandrà, matokia
matokia, matokia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Feo Mamatonalina
Vangy : 3438
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : H.A.J.
Daty : 13/08/2020 11:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732