Meteza (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Potraka vé sa tafitohina sa noterena handoalika
Ny lalana vé no malama ka nianjera ianao
Meteza, meteza ianao hotantanany e.
Atolory azy ny tananao mba hotantanany e

Ny kapoka mafy nahazo anao, nanolatra sy feno Marika e
Mitsabo ny fery tsy sitrana ianao
Meteza , meteza ianao hositraniny e
Manatona azy  ianao anio meteza hositraniny e

Iaino ny fanantenana f'ianao Mbola hamirapiratan'ny tavany e
Hotantanany , hositraniny e
Resaho amin'ny olon'drehetra fa ampy mizara ny fpwv fahasoavana
Ampy ho ahy, ampy anao, ny fahasoavany e

Ho finaritra ianao noho ny fahalemena
Ny fahaterena
Fanenjehana rehetra sy fampahoriana
Izy hiady ho anao f'ianao kosa tgam hangina

Ny fahalemeko no fahatanjahako e
Fa ataoko ampy ahy, ny fahasoavany e
Ka na dia mamaky ny aloky ny fahafatesana aho
Dia ataoko tononkira.serasera.org ampy ahy ny fahasoavany e

Aza manamavo na hoe tfunxalq manakiana ny kapoka ataon'ny tanany e
Mba handeha ami'ny lalana mariny
Aza tofoka akory amin'zay fanitsian'izy Ray zay mananatra an'janany e
Fa izay tian'i Jéhovah no anariny

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 290
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 12/07/2025 20:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0304