Meteza (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Potraka vé sa tafitohina sa noterena handoalika
Ny lalana vé no malama ka nianjera ianao
Meteza, meteza ianao hotantanany e.
Atolory azy ny tananao mba hotantanany e

Ny kapoka mafy nahazo anao, nanolatra sy feno Marika e
Mitsabo ny fery tsy sitrana ianao
Meteza , meteza ianao hositraniny e
Manatona azy  ianao anio meteza hositraniny e

Iaino ny fanantenana f'ianao Mbola hamirapiratan'ny tavany e
Hotantanany , hositraniny e
Resaho amin'ny olon'drehetra fa ampy mizara ny fahasoavana
Ampy ho ahy, ampy anao, ny fahasoavany e

Ho finaritra ianao noho ny fahalemena
Ny fahaterena
Fanenjehana rehetra sy fampahoriana
Izy hiady ho anao f'ianao kosa hangina

Ny fahalemeko no fahatanjahako e
Fa ataoko ampy ahy, ny fahasoavany e
Ka na dia mamaky ny aloky ny fahafatesana aho
Dia ataoko ampy ahy ny fahasoavany e

Aza manamavo na hoe manakiana ny kapoka ataon'ny tanany e
Mba handeha ami'ny lalana mariny
Aza tofoka akory amin'zay fanitsian'izy Ray zay mananatra an'janany e
Fa izay tian'i Jéhovah no anariny
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Hits : 144
Likes : 0 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 12/07/2025 20:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0828