HE TONGA INDRAY (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He tonga indray ilay andro soa
Ilay andro iray tiako tokoa
Fa teraka ho olona
Jesosy zanak'Andriamanitra
(Jesosy Andriamanitra)

Refrain:
Ry mino ô! Andeha re hankalaza
Fa ho anao ny soa atolony
Ny lanitra nentin'i Jeso zaza
No lovanao iraisana aminy
Mifalia sy mihobia izao
Fa mpamonjy teraka ho anao

Tanaty sasak'alim-be
Sy torimaso lalina e
No indro fa miposaka
Ilay hazavana soa mamiratra
(Mazava soa mamiratra)

Refrain:
Ry mino ô ! Andeha re hankalaza...

Injao manakoako hoe
Ny feon'anjely marobe
Misokatra ny lanitra
Mitory fa mesia no teraka
(Mesia mesia no teraka)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 241
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 02/12/2022 19:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2262