ARAHABAINA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Arahabaina isika izao
Tafahoana izaho sy ianao
Koa arahabaina e! Arahabaina oa
Fa velon'aina feno hafaliana
Manandratra ny hira fihobiana
Fa nahatratra izao Noely izao
Ho famonjena izao tontolo izao

Indro teraka Jesosy zaza
Faly isika izao mankalaza
Nandao ny lapa soa Jesoa
Nitondra ho anao zava-tsoa
Arahabaina e! Arahabaina oa
Arahaba re! Arahaba oa

Fa velon'aina feno hafaliana
Manandratra ny hira fihobiana
Fa nahatratra izao Noely izao
Ho famonjena izao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 338
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 02/12/2022 19:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5222