Mpivahiny (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny izahay etyFandalovana izao rehetr'izao
Ka ho lo sy ho levona
Ho lavenona sy zary vovoka
1)
Eny Ray ô ! Fantatrao tokoa
Fantatrao 'zahay fa mpivahiny ety
Mielina toy ny rivotra
Ny andronay ety ka ho aiza moa 'zahay ?
Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetr'izao
Ka ho lo sy ho levona
Ho lavenona sy zary vovoka
2)
Raha hiala ety, moa ho any aminao
Sa ho sanatria ho very izany izaho ?
Ka rahatrizay, dia ho avy Ianao
Mba hitsara anay, ka ho aiza moa 'zahay ?
Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetr'izao
Ka ho lo sy ho levona
Ho lavenona sy zary vovoka
3)
Mba satriko ho eo anilanao
No anjarako raha toa ka hiala ety
Mino aho Ray ô ! F'efa afakao
'Zany otako, k'ilaozako ny ety
Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetr'izao
Ka ho lo sy ho levona
Ho lavenona sy zary vovoka
Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetr'izao
Ka ho lo sy ho levona
Ho lavenona sy zary vovoka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)Vangy : 22
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FitiaCatt
Daty : 04/02/2026 06:56
