Oh veloma eh! (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)
Oh veloma eh mandrapihaona eh
Isika izay vory eto ôh
Fa manam-petra ny fotoana
Ka hifarana hatreto
Ny Tompotsika dia tsy mandao
Fa momba hatrany hatrany
Izaho sy ianao no hifandao
Zay aloha no vita androany

        :,: Ataovy ao an-tsaina anio
        Izao no tsarovy sy tadidio
        Mandalo ny fiainana eto an-tany
        Aza dia mba be vinany :,:

2)
Oh veloma eh mandrapihaona
Isika izay vory eto ôh
Raha misy dera, raha misy laza
Dia ho Azy irery ihany
Ny teny diso tsy mba kabary
Fa mbola olona ihany
Ny mangidy aloavy
Mamy kosa atelemo

        :,: Ataovy ao an-tsaina anio
        Izao no tsarovy sy tadidio
        Izy Tompo ihany no jerena
        Fa tsy olona misy fahalemena :,:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)
Vangy : 98
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FitiaCatt
Daty : 04/02/2026 06:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0481