Ilay Kristy (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) [1ere voix]
Dia nazava be ny lanitra tao Betleheme
Ndreo Anjely tena marobe sy sesehena
Voninahitra anie ho an'Andriamanitr'avo
Fiadanana ho an'ny olona efa lavo

        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia (fa tonga)
        [choeur]
        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia

2) [1ere & 2eme voix]
Dia niaing'ireo mpiandry ondry tao an-tsaha
Tsy nangatak'andro fa dia lasana nizaha
Ho afaka tokoa ny ahiahy nampanahy
Faly re ny fo sy saina, he! ravo ny fanahy

        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia (fa tonga)
        [choeur]
        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia

3) [1ere & 2eme & 3eme voix]
Dia nizotra koa ireo magy telo olon-kendry
Mba hahita maso marina ilay voatendry
He! natolony Azy re ny hasina sy laza
Foiny an-tsitra-po ireo fananany mba ho haja

        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia (fa tonga)
        [choeur]
        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia

4) [choeur]
Asandrato re ankehitrio ny hira soa
Mba hanakoako mafy eran-tany koa
Voninahitra ho an'Andriamanitra avo
Fanavotana e! Ho an'ny olona efa lavo

        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia (fa tonga)
        Fa tonga ilay Mesia, ilay Kristy, Jeso be fitia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)
Visites : 28
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FitiaCatt
Date : 04/02/2026 06:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0707