ny fanirianay (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manao zao hira zao eto anatrehanao ry Ray
Satria navondronao hitory ny Anaranao
Manandra-peo zahay maneho ny fahavononanay
Mba ho fitaratra sy ho fitaomana fanahy
Fa maro mantsy ireo milaza fa hoe irakao
Kanefa indrisy sandoka ihany
Hitanao ny hetaheta aty anatinay
Anao tokoa satria navotanao
       Ny ANTSAFI Jesoa n’inona n’inona mety hiseho
       Dia hanompo Anao satria tianay foana Ianao.
       Ka hihazona ny handovana ny lanitra
         Sy ny fiainana mandrakizay.
Ny fanirianay dia ny hifampitantana
Homban’ny herinao ka tsy ho tafasaraka
Ho mafy orina amin’ny fifankatiavanao
Ka mba hiaradia amin’ny fihavanana
Ka ny talenta sy ny hery mbola omena anay
Atolotray ho fiderana Anao
Mampianàra anay hanisa ny andronay
Haneho tokoa ny voninahitrao.
      Ny ANTSAFI Jesoa n’inona n’inona mety hiseho
      Dia hanompo Anao satria tianay foana Ianao.
      Ka hihazona ny handovana ny lanitra
     Sy ny fiainana mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 899
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 27/11/2015 19:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5981