Tsy takatry ny saiko (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh tsy takatry ny saiko
Ireo izay miseho amin'ny fiainako
Izao, n'iza mivembena
Ndreo ny famonjena
Fa toa nofinofy ihany
Satria tao anaty ady mahamay
No tonga tety an-tany
Jesoa iraky ny Ray

Ref : Fifaliana lehibe tsisy toa izany
Fahasoavan-dehibe, soa tsy mety lany
Nomeny ho antsika
Izay efa nandika
Lalana mahitsiny
Raha misy olona hoy Ianao
Vonona hanaraka ahy
Dia afoy ny ota izay fanao
Raozin'ny haratsiampanhy
Inty aho hanaraka Anao
N'aiza n'aiza alehanao
Vonona aho hanao ny sitrakao
Jesoa raiso aho anjakao

Ny fandavantenanao
Ry Jesoa tsaroako eto anio izao
Ny fitiavanao inoako
Fa voababo ity foko
Mpamonjy mahagaga
Fa ny helokay no nisava
Ka eh hafaliana izao
Fa namonjy ahy Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 211
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokyrajoelison
Daty : 26/10/2025 17:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4264