Ovao ny fo ho vaovao (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Marina fa tsy vitsy ireo olona
Manao ny asan’Andriamanitra
Ka ny asa am-piangonana
Akam-boninahitra

Fiv : Tsy ny olona no deraina, fa ny Ray ambony ao
         Izy no Ilay Tomponaina, hobio, derao
         N’iza n’iza eto an-tany, na any an-danitra any
         Lay Jehovah Ray no mendrik’izany
         Izy no mendrik’haja , omen-boninahitra
         Fa Azy ‘zao hita izao ary koa ny any an-danitra
         Mba tsy ho very maina ny asa izay natao
         Ekeo ny ho mpanompo ka manetre tena izao
         (Ovao ny fo ho vaovao)

Very maina raha ny asa fanompoana
No atao isehosehoana
Ny hiafarany aza moa
Ho nenina tokoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 126
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antokompihiramoria
Daty : 23/10/2025 15:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0367