Tsy ho tahotra ho antsika (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy ho tahotra ho antsika, ny alon-drano te hitelina ny aina.Ny vatravatran’ny ranondriaka, miady fo tsy hay tohaina.
Tsy hampihemotra antsika akory, ny aizim-pito fiafenan’ny mpandrafy.
Ny hetraketrakin’ny mpampahory sy ‘reo sotasota maro lafy.
Refrain:
Ny finoana tsara tana, no ampinga enti-miady.
Fa Jesoa lalan-kombana, tsika ho tomady.
Fa tsy ho tahotra ho antsika, ireny rehetra rehetr’ireny.
Ny masoandro mibaliaka, fa Jesoa hiteny.
Tokim-pandresena, ho famonjena.
2- Tsy ho tahotra ho antsika, ny alom-pahafatesana mampihorohoro.
Efa voasoratra, fantatsika, tsy am-panahy isika mbola hijoro.
Ireo loza notoriany, hitantsika ankehitrio, miseho lany.
Tsy honohono koa ny fisiany, tsy ho tahotra ho antsika anefa izany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVangy : 610
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 05/07/2022 15:35