Ianao no raiko (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no Raiko loharanom-pamonjenaIanao lazaiko fanovozam-pahendrena
Reraka ny aiko tsy avelanao hivena
E,e, Ianao no tena Raiko manana ilay fo onena
Ny fiakarana mideza, ny adim-piainana mafaitra
Tsy misy avelanao hateza, tsy misy ataonao tsy ho laitra
Vao maika koa tafionao aina, fanahy mahery sy finoana
Ianao mampody ny taraina, ho risi-po tsy mba midona
Na inona midona, eny hozakaiko,
Fa Ianao no Raiko
Iny aho nivily fa mba tia hizaka tena
Dia nandao Anao RAy tsy nanaiky hofefena
Trotraky ny ditra aho eny miaiky ny faharesena
E,e, mbola Ianao ry raiko nisahirana nitsena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVangy : 4590
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 23/05/2006 12:26