SAIKA HIERA (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Saika hiera aho mba hiaraka hihira aminao
Amizato feo manga mampangovitra ny ambanilanitra
‘Ndao handramana iza no mahita sao mety
Raha vao mety eo kosa dia hanako erantany erandanitra

Mihirà hoe ianao hihainoiko ny hahavony sao hiva
Dia ataovy mafy tsara mba hijanona ho tantara
Dia ataovy mafy tsara sao dia farina ny feo ka mivalana
Saika hiera aho mba hiaraka hihira aminao

Saika hiera aho mba hiaraka hitehaka aminao
Hanamafy ny korana hiarahana manila ny androtsika
‘Ndao handramana iza no mahita sao mety
Raha vao mety eo kosa dia hiaraka ny ambany sy ny kiaka


Tonony sy feony : Zoarinjatovo RAHAMISON
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/zopanage/saika-hiera-
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Zopanage
Visites : 3035
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 29/11/2012 18:51
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0631