You are here: home > Tononkira > Zopanage

Niova filamatra (Zopanage)

Ianao no mahalala fa miadana ny tany,
Rehefa any ambanivohitra any.
Ianao koa mahalala fa be ny mitomany,
Rehefa any an-drenivohitra any.

Izaho tsy nanampo fa rendrarendra ny aty,
Izaho moa misaringom-borondamba.
Ka tapa-kevitra aho sady tonga saina,
Hiverina any ambanivohitra

Sarotra amiTsiky dia ampynay any ambanivohitra any,
Ny hiadana toa anareo,
Fa ny asanay mamadika ny tany,
Miara-mihosina tsy hainareo.
Aleo aho hody hamonjy ny vala,
Handre ny hiram-pody,
Hahita indray an'i lala.

Any izahay mihinana matory dia mifoha,
Tsy mba sahirana fa miadana tokoa.

Aza antsoinao intsony aho
F' efa niova filamatra aho

Mpihira : Zopanage
Mpamaky : 2680
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 05/11/2012 18:30:02
ID : 6226

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo