You are here: home > Tononkira > Zopanage

Vazoy (Zopanage)

https://tononkira.serasera.org/hira/zopanage/vazoy-1

Injao heno midona atsy ny orana
Avy any atsinanana mamaky ny ala
Poa toa izay dia nanjombona ny andro
Ka nentin’ny rahona ilay hafanana
F’angaha raha be ny setrasetran'ny tany
Dia atao mampanjombona sy hampitomany
Tsinjovy ny ampitso mbola ho lava
Fa ny andro manjombona dia hody hazava

Vazoy ny hira hiredona
F’aza mora manembonaTsiky dia ampy

F’ity revy tsy avela hitondra
Hisavoana any ambon'ny rahona mainty
Fa manana ny hery miavosa
Ho enti-miady ilay mahakanosa
Soloy kalo ary izany tomany
Ka tohero amin’ny fo ny ankason’ny tany
Fenoy tsiky izato endrikao maloka
Hampody ny hakanton’ilay fahazazana

Vazoy e ny hira hiredona
F’aza mora manembona


Tonony sy feony : Ndrina RANAIVOARIMANANA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Zopanage
Mpamaky : 2670
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 08/10/2012 19:51:36
ID : 6201

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo