You are here: home > Tononkira > Zopanage

TRANO BONGO (Zopanage)

https://tononkira.serasera.org/hira/zopanage/trano-bongo

Ilay trano bongo fonenan-tsika roa
Toa lobolobo simba sy lo
Tsisy masoandro miserana akory
Fa haizina antoandro ka manorisory

Ny varavarana zara raha mijoro
Manarangarana ireo mpampihorohoro
Ny hafaliana akia kila sy may
Ny hakiviana no mba mampiray

Soa fa nisy ny tsikitsikinao
Toa lapan’andriana ilay fierena
Soa fa nTsiky dia ampyafàna ireo tànanao
Namàna ny fo efa mitalaho

Ireo zanatsika roa zara raha mitafy
Tsy mba niriaria fa mihafihafy
Jereo ny hafa fa toa tomady
Tsy mba mihafahafa fa nandresy an’ady

Soa fa nisy ny teny maminao
Nananatra mora ny tokony ho atao
Soa fa nafana ireo tànanao
Namàna ny fo efa mitalaho

Tonony sy feony : Zoarinjatovo RAHAMISON (1982)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Zopanage
Mpamaky : 2871
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 05/11/2012 09:24:41
ID : 6223

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo