Mba ho iray (Vetson'ikopa antoko mpihira)

https://tononkira.serasera.org/hira/vetsonikopa-antoko-mpihira/mba-ho-iray

Ry Ray Masina ô indreto izahay
Mangataka aminao
Miangavy, mitalaho
Henoy n'y vavakay
Tsy ho anay irery ihany izao vavaka izao
Fa ho an'izay mandre ka resy lahatra
Manaiky, mino anao

Maniry mafy, maniry izahay
Ny mba ho iray
Tahaka anao sy ilay zanakao
Kristy ilay maty ho anay
Ianao Ratononkira.serasera.orgy ao aminy
Ary izy ao aminao
O mino izahay ilay zanakao
Ilay nirahinao

Mangetaheta mafy fitia avy aminao
Fitia tsy misy tamby
Fa feno, manana amby
Ho an'izao tontolo izao
Ray ô mba faniriako ny hiara-dia aminao
Ho tody soamantsara
Hahita ilay tanàna mamirapiratra

Maniry mafy
Maniry izahay ny mba ho iray...  

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Mpamaky : 134
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Xtella
Tamin'ny : 16/10/2019 07:21:13
ID : 12138

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo