Tsara loatra ka hiraiko (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitsiky ho ahy ’lay masoandro maraina.
’Reo voronkely mihira ho anao, mampitony saina.
Re milanto ’lay tsio-drivotra kanto,
’Zay toy ny feon-kiran’ny ala. Mamy er? ny miaina!

Dia ’zao hira izao, Jehovah ô, ho Anao,
Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa,
nahoana no mba tena ahianao?

Hidera anao aho, hikalo ami’ny fo.
Hidera anao aho, hikalo ami’ny fo.
Avy ao am-po(avy ao am-po.)

’Zay jereko dia mambabo ny foko;
’Reo no mandoko ny tontolo, midera Anao daholo.
Ny havoana, na ny herin’ny onja tsy tana,
dia mankalaza Anao, mitory hatsarana.

Dia ’zao hira izao(ho Anao), Jehovah ô, ho anao,
Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa
nahoana no mba tena ahianao?

Hidera anao aho, hikalo ami’ny fo.
Hidera anao aho, hikalo ami’ny fo.
Avy ao am-po(avy ao am-po)

Mba diniho, dia ho hitanao miharihary;
Ireo toetra miavaka asehon’ilay Ray Nahary.

Dia ’zao hira izao(ho anao), Jehovah ô, ho anao,
Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa
nahoana no mba tena ahianao?

Hidera Anao aho, hikalo ami’ny fo.
Hidera Anao aho, hikalo ami’ny fo(avy ao am-po)
Hidera Anao aho, hikalo ami’ny fo.
Hidera Anao aho, hikalo ami’ny fo.
Hidera Anao aho, hikalo amin’ny fo.
Avy ao Am-po(avy ao am-po)

JWBroadcasting November 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 460
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 11/09/2019 11:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768