Miezaha ho tia mandray vahiny (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mofo sa dité ve no misy ao ?
Fa mety koa raha kilalao.
Avy amin’i Jehovah ireo raha hotanisaina.
Tsy aleo ve zaraina?
Koa mba miezaha ho tia mandray vahiny ;
Antsoy izy hoe avia !
Na tsisy valiny aza ankehitriny,
Dia izay no tena tia.

Ny tranon-tsika anie avy amin’i Jehovah Ray.
Maninona àry moa raha zaraina indraindray?
Satria ho faly ianao raha toa ka tia mizara.
F’izay no tsara.
Koa mba miezaha ho tia mandray vahiny
Antsoy izy hoe avia !
Na tsisy valiny aza ankehitriny,
Dia izay no tena tia

Misy mahantra noho ianao.
Tsy fidiny ho azy anie fa sendra loza ka mba hiantrao
Tsy ho jerenao ve?
Raiso ho namanao àry izy ka mba hampandrosoy,
‘zay misy arosoy.
Koa mba miezaha ho tia mandray vahiny
Antsoy izy hoe avia !
Na tsisy valiny aza ankehitriny,
Dia izay no tena tia …
Dia izay no tena tia….
Izay no tena tia!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 711
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 28/06/2019 11:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721