Namako Ianao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapanao ve andro farany izao?
Tsy mora intsony ny miaina
Indrindra rehefa kivy ianao
Dia namana no ilaina.
Nefa aiza no ahita
Namana izarako an’izay manjo ahy
Ny baiboly mazava izay lazainy
Ref: Raha toa namana itokiana
Azo itomaniana,tia amin’ny andro fahoriana
Tsy mandao mihitsy,fa vonona ny hanitsy
Dia ho tiako foana tsy mifidy taona
Raha izay tian’I Jehovah no mba tianao
Dia namako ianao.

Raha lavitra ny afo tsy azo amindroana
Fa’ndrao sodokan’ny any
Izay namana akaikin’ny fo antsoina
F’izy eo foana raha tomany
Aza ravana ilay fihavanan-tsika
Fa andao hifandray
F’izany ihany no hitohy mandrakizay
Ref: Raha toa namana itokiana
Azo itomaniana,tia amin’ny andro fahoriana
Tsy mandao mihitsy,fa vonona ny hanitsy
Dia ho tiako foana tsy mifidy taona
Raha izay tian’I Jehovah no mba tianao
Dia namako ianao.

Namana miahy ,tsy hamitaka ahy
Fa tena tia an’i Jehovah
Hizarana alahelo,ilazana tsiambaratelo
Fa namako ianao….
Ref: Ianao, namana itokiana.
Azo itomaniana,tia amin’ny andro fahoriana.
Tsy mandao mihitsy,fa vonona ny hanitsy.
Dia ho tiako foana, tsy mifidy taona.
Raha izay tian’i Jehovah no mba tianao...

Ianao... namana itokiana
Azo itomaniana,tia amin’ny andro fahoriana.
Tsy mandao mihitsy,fa vonona ny hanitsy
Dia ho tiako foana tsy mifidy taona.
Raha izay tian’i Jehovah no mba tianao
Dia namako ianao.

Namako ianao ann an an an.
ooo namako ianao.
--------
Rohy:
Hevitra
raniNi1 ( 15/05/2019 14:43)
tsara be ity site ity.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 1018
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 15/05/2019 14:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739