Eo akaikiko foana i Jehovah (Novambra 2019) (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny foko voatsindrona antsy.
Niondrika aho fa efa resy mantsy.
Fa leo aho tsy te hiaina intsony.
Hitany aho dia notsaboiny.
Nomeny toky aho hoe ampiany,
Raha vao miantso aho hovaliany
satria ‘zaho tena tiany.

Fa Jehovah teo foana nanatanjaka ahy,
Teo foana nanampy ahy ho sahy,
Teo foana Izy niaro an’ahy.
Tanatin’ny mangidy, andry niankinako Izy ,
Nanohana ahy rehefa kivy.

Jehovah eo akaiky eo foana.
Izay aleha nasehony hoe:’io lalana io no izory’.(v:Jehovah eo akaiky eo foana)
Tsy mora izany fa niezahako ihany,
Tsy very maina akory.

N’iza n’iza handao,
Izy handray ka ho Rainao, ary Izy hanoro.
Dia raha sendra lavo,
hangataho ‘lay mpanampy mora azo.
Ho sahinao ny hijoro.

Fa Jehovah eo foana mba ho tanjakao,
Eo foana Izy ho tokinao, Eo foana Izy hiaro anao.
Raha anatin’ny mangidy, andry azo iankinana Izy,
Hanohana anao f’aza kivy.

Jehovah eo akaiky eo foana.
Eo foana, eo foana…
Jehovah eo akaiky eo foana.
Raha tsy hita izay haleha(eo foana),hasehony hoe(ho eo foana):
‘Io lalana io no izory’.
Jehovah eo akaiky eo foana.
Miezaha hatrany(eo foana), mifikira ihany(ho eo foana),
Tsy very maina akory.

Jehovah ho eo foana hanatanjaka ahy,
Ho eo foana hanampy ahy ho sahy,
Ho eo foana Izy hiaro an’ahy.
Raha anatin’ny mangidy, andry azo iankinana Izy.
Hanohana ahy ka ‘zaho tsy ho kivy.

Jehovah eo akaiky eo foana.
Eo foana, eo foana…
Jehovah eo akaiky eo foana.
Eo foana, eo foana…
Jehovah eo akaiky eo foana.

JWBroadcasting November 2019
--------
Rohy:
Hevitra
tsirifara ( 17/12/2019 10:00)
Mampahery be lay hira, ary haingana be nareo a. Vao mivoaka le hira de efa ato sahady:)
raniNi1 ( 17/12/2019 12:46)
Ie.efa ao le hira farany satria mba nifanandrify tamn mis a jour le fotoana nampidirana azy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 983
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 12/11/2019 18:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0982