Manampy ahy ny finoana (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-‘Zay andro mandalo tsy mora setraina.
Ny ampitso aza mbola mampiady saina.
nefa hoy ianao:misy antenaina.
Nanome toky ahy indray ny Baiboly
Ka maivaimaivana aho ‘zao no sady tony,
‘zay nampanahy tsy nisy intsony.

Ref: Na dia mafy aza ny mahazo ahy,
dia manampy ahy ny finoana
N’inona hitranga; izaho tsy hanahy,
Manampy ahy ny finoana… (‘zay no hanampy ahy)

2-‘Lay vaovao mahafaly mba tiako hotoriana
Satria mbola maro ireo mila ampiana.
Mbola mijaly sy be fahoriana.
Fa feno ny ato am-poko dia vonona ny saiko
hanampy ny hafa hahalala izay efa haiko
momba ny hoavy ‘zay hantenaiko

Ref: Na dia mafy aza ny mahazo ahy,
dia manampy ahy ny finoana
N’inona hitranga; izaho tsy hanahy,
Manampy ahy ny finoana… (‘zay no hanampy ahy)

3- Mba mijaly aho ‘ndraindray.
Fa mino anefa aho hoe ‘zaho tsy irery
fa hanampy ahy Jehovah.
Hoy izy:” ‘Zah antsoina re’fa very
Satria eo foana aho hampahery.
Matokia fa ‘zaho tsy handao sy hitantana anao”;

Na dia mafy aza izay hanjo,
Izao no tsy azo adinoina:
Na dia maizim-pito ny eo aloha,
hanampy ahy ny finoana.
Tena mino aho, matoky aho fa
manampy ahy ny finoana.
Ny olana rehetra dia mbola hivaha.
hanampy ahy ny finoana….
…..( ‘zay no hanampy ahy).

JWBroadcasting April 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 675
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 31/05/2019 07:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2266