You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Izao no fotoana (Tvbroadcasting)

Izao  andro izao ve hitanao f’efa miharatsy foana?
Tena mila mailo isika izao, kely sisa ny fotoana.
Hararaoty izao mba hitoriana,izay mihaino ampianaro.
Fa ny anaran’i Jehovah ,mila fantatry ny maro
‘Zao no fotoana;tsy maintsy hitoriana.
Isika tsy ho kivy ary tsy hangiana.
Izao no  fotoana, fa tsy any aoriana.
Izao no andro farany hiadiana.

‘Zao fotoana hiainan-tsika izao dia mandalo indray mandeha
Hitorio ireo akaiky anao, sy ‘zay mbola tsy nandre
Hotsaroanao izany indray androtononkira.serasera.organy, ka tsy hanenenanao
Ny nanompo an’i Jehovah sy nanao ‘zay azo atao.
‘zao no fotoana tsy maintsy hitoriana.
Isika tsy ho kivy ary tsy hangiana.
Izao no  fotoana, fa tsy any aoriana.
Izao no andro farany hiadiana.

Mahereza fa tsy irery isika , ‘ndao hanao ‘zay azo atao
Fa sampanana iray sisa ,dia tontolo vaovao.
‘zao no fotoana;tsy maintsy hitoriana.
Isika tsy ho kivy ary tsy hangiana.
Izao no  fotoana, fa tsy any aoriana.
Izao no andro farany hiadiana.
    
                 JWBroadcasting  August 2015

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 32
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 11/09/2019 11:04:26
ID : 12051

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo