Andao hifamela hatrany (Tvbroadcasting)
https://tononkira.serasera.org/hira/tvbroadcasting/andao-hifamela-hatrany
V: Haiko ianao hoe te hanampy an’ahy.Tia manoro sady tsara fanahy.
Ny teninao anefa mankarary;
ka tsy mahatanty fa mamaly.
Hay ‘zaho koa mba diso ihany.
Ref: Io masoandro io raha mbola eo,
‘Zay tsy nety androany havela hatreo.
‘ndao ‘tsika hifanantona ary hihavana indray
Mifona akia,tiako ange ndri…
L: Tsy mifanaran-tsaina indray isika.
Samy enti-po dia lasa masiaka.
Nefa avy eo ‘nge tonga saina ihany.
Tsy aleo halamin-tsika izany,
Dia aleo hivalona any.
tononkira.serasera.org Ref: Io masoandro io raha mbola eo,
….//…..
Aza manahy,namako ialahy.
Tsy ‘zay teny na ny hatao
no havela handrava izao fihavanan-tsika izao.
‘ndao hifamela ,koseho ‘zay tavela.
Dia tsy hifankafoy izaho sy ianao.
Ny masoandro aza avela ho dify;
‘ndao samy hiezaka hanao ‘zay tandrify.
Ka mba hifanantona ary hihavana indray
Fo madio ‘zao, pejy vaovao … ouououoh
‘ndao hifamela,
fitiavana no tavela!