You are here: home > Tononkira > Tvbroadcasting

Ho anao (Tvbroadcasting)

Mba inona àry no tena tiako?
Aiza no lalana hofidiko?
Hanao ilay voady aho indray androany
Nahoana anefa no ela izany?
Fa tonga saina aho re’fa mijery ireo nifidy anao
Tsy hoe terena fa sitrapony irery
Dia izay koa no tiako hatao.
         Izaho efa vonona amin’zay hamaly ny antsonao.
         Ampio aho raha matahotra indraindray
         fa hanokan-tena ho anao…(hanokan-tena ho anao)

Ny  tena mba faniriako izao
dia ny ho tianao sy ho namanao.
Raha sendra kivy aho na koa tsy satononkira.serasera.orghy
Ianao ihany no hanampy ahy.
Ny fiainana anie tsy hoe kilalao
ho lavitra ny dia
Hanompo anao izao tanora izao.
Tsy hiandry intsony aho satria:
    Izaho efa vonona amin’zay hamaly ny antsonao.
    Ampio aho raha matahotra indraindray
    fa hanokan-tena ho anao (hanokan-tena ho anao)

            Izaho efa vonona amin’zay hamaly ny antsonao.
            Ampio aho raha matahotra indraindray
            fa hanokan-tena ho anao(hanokan-tena ho anao)
            Hanokan-tena ho anao…… hanokan-tena ho anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tvbroadcasting
Mpamaky : 148
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : raniNi1
Tamin'ny : 31/05/2019 07:27:35
ID : 11758

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo