DIDY VAOVAO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

https://tononkira.serasera.org/hira/taratry-ny-mazava/didy-vaovao

1-Jehovah Andriamanitra Mpahary
Andriamanitra Ray be fitia  
Momba sy mitahy tsy mba manary
Ireo olona izay mpanara-dia

‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray

Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro rahaTsiky dia ampy mifankatia

2-Raha toa mpanompo mahatoky
Manana ny fo, saina, toetra
Ka mitia toy ny an’i Jesoa zoky
Dia mihavàna amin’ny rehetra

‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray

Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro raha mifankatia

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 91
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : musertech.ir
Tamin'ny : 30/03/2020 05:26:06
ID : 12646

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo